Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 519975 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Préparation de la Loi de finances 2022 : les Gouverneurs de regions impliqués dans le processus Dans le cadre de la préparation de la Loi de Finances 2022, une série de Conférences Budgétaires Régionales ont eu lieu au mois de février 2021, au niveau des vingt-deux régions. Ces conférences ont eu pour leitmotiv de collecter les propositions de doléances des régions en vue de la préparation du budget rectificatif, mais aussi de recenser les suggestions relatives à l’élaboration de la Loi de Finances Initiale 2022. Les propositions ainsi recueillies ont été envoyées au Ministère de l’Economie et des Finances au mois de mars 2021 et il s’agit dorénavant de les soumettre aux Gouverneurs. « La conférence budgétaire régionale est aussi destinée à recueillir les avis et propositions des gouverneurs. En effet, le processus de consultation ne sera complet et efficace que si les gouverneurs de région apportent eux-mêmes leur point de vue et définissent les projets prioritaires compatibles à la Politique Générale de l’Etat et au Plan Emergence Madagascar ».
Famolavolana ny Tetibolam-panjakana 2022 : mandray anjara mivantana ny Goverinora isam-paritra Ao anatin’ny fanomanana ny famolavolana ny tetibolam-panjkana 2022, dia nisy ny fivoriana sy fikaonandoha efa natao isam-paritra nanomboka ny volana febroary 2021 lasa teo. Natao izany mba handraisana sy nanangonana ireo hetahetan’ny vahoaka miainga avy any ifotony. Nahafahana nanitsy ihany koa ny tetibola nampiasaina tamin’ity taona 2021 ity izany ary hanomanana dieny izao ny tetibolam-panjakana ampiasaina ny taona 2022. Ireo dinika sy hevitra nivoaka rehetra dia nalefa ary noraisin’ny teo anivon’ny Minisitera Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Tsy mijanona hatreo anefa izany, fa mitohy hatrany ny dingana entina handrafetana an’izany tetibolam-panjakana izany ka anjaran’ireo Goverinoran’ny Faritra manerana ny nosy indray no hikaondoha miaraka amin’ireo tomponandraikitra, teknisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Namafisin-dRamatoa Minisitra tamin’ny lahateny fanokafana fa “tsy feno ny dingana fakan-kevitra raha tsy afaka naneho ny fijeriny manokana ny governora isam-paritra izay mahafantatra sy afaka mamaritra ireo laharam-pahamehana eo anivon’ny faritra misy azy, ka mifandraika amin’ny Politikam-panjakana ankapobeny sy ny Plan Emergence Madagascar (PEM).” Natao any Mantasoa izany ny 03 septembra 2021 izao. Lohahevitra banjinina ny hoe “Fikaonandoha ho an’ny tetibola isam-paritra: Mandray anjara feno ho an’ny fampandrosoana”. Hivoitra amin’izany ireo teboka tena ilaina amin’ny fampandehanana ny Faritra. Araka izany, ny famolavolana ny tetibolam-panjakana dia misy dingana maro tsy maintsy lalovana. Ilaina izany mba handrafetana ity volavolan-dalàna lehibe iankinan’ny aim-pirenena ity, hifanaraka ny filan’ny vahoaka sy hiteraka fampandrosoana araka ny hetahetany. Efa paikady vaovao netin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola nanomboka ny taona 2019 no nankaty moa izany. Ankoatra izay, satria vorilanona ao avokoa ny Goverinora rehetra dia fotoana io hahafahan’izy ireo mamaovaofy ny hevitra rehetra voahangona nandritra ny fikaonandoham-paritra efa vita tamin’ity taona 2021 ity. Tsy izay ihany fa hanolo-kevitra koa izy ireo amin’izay zavatra heveriny fa hampandrosona ny faritra misy azy ireo avy. Azo ambara fa sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena no nisy dingana lehibe sy goavana tahaka izao natao alohan’ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana.
|