Guides Pratiques aux usagers
                            Réformes 
                            Nouveau
                        
                Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 655434 | 
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
| 
			 Tonga nisaotra ary nankahery hatrany ny mpamonjy voina ny Fitondram-panjakàna 
 Manoloana ny andraikitra izay nasehon’ireo mpamonjy voina omaly alina nandritra ny fahamaizan’ny trano misy ny foiben’ny ONE etsy Antaninarenina ka nahafahana nifehy ny tsy fihitaran’izany tamin’ireo trano sy biraom-panjakàna rehetra manodidina. Anio maraina ihany, dia tonga naneho fisaorana ireo mpamonjy voina izay notronon’ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra, Naina ANDRIANTSITOHAINA, sy ny manam-boninahitra mpifehy ny vondron’ny mpamonjy voina esty Tsaralalàna ny Fitondram-panjakàna izay nosoloin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard RANDRIAMANDRATO tena. Nankahery sy nirary soa hatrany ny mpamonjy voina eto anivon’ny CUA ihany koa ireto farany amin’ny fanatanterahana antsakany sy andavany ny asa mavesatra sahanin’izy ireo. 
  | 
		














