Guides Pratiques aux usagers
                            Réformes 
                            Nouveau
                        
                Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 653873 | 
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
| 
			 
 Fitsidihana ireo mpiara-miasa izay manatanteraka ny service minimum eto anivon’ny MInisteran’ny Toekarena sy Fitatanam-bola 
 Mandritra ny fepetra fihibohana napetraky ny Filoham-pirenena dia misy ireo sampandraharaham-panjakana voaantso manokana hiasa, araka ny voalaza ao anatin'ny didim-pitondrana laharana 7618/2020 tamin’ny 06 aprily 2020 mametra ireo fepetra rehetra tsy maintsy tanterahina manoloana ny fitohizan'ny ahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikarana noho ny fisian'ny valan'aretina coronavirus. Anisan'ireo voaantso hiasa ny sampandraharaha misahana ny Fahasalamam-bahoaka, ny Filaminam-bahoaka, ny Fitsarana ary ny eto anivon'ny Ministeran'ny Toekarena sy Fitantanam-bola (MEF). Misy tokoa mantsy ireo asa tsy afaka tanterahina avy any antrano sahanin'ity Ministera ity noho ny abehan'ireo masinina fikarakarana izany sy ny mahasamihafa ireo olona mifanesy misahana ilay asa ary koa tsy afa-miandry ny fahataperanan'ny fotoana fihibohana ny fanatanterahana azy. Anisan'izany ny fisotroan-dronono, ny fanavaozana ny contrat de travail, ny fandefasana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, sns. Ny apahaefan'ny mpiasa eto amin’ny nos mananteraka service minimum ankehitriny eto anivon'ny MEF mba hanomezana fahafaham-po ny mpisitraka ny asa eto. Tsapan'ireo mpitantanana eo anivon'ny Ministera anefa ny tebiteby iainan'izy ireo miatrika izany asa izany isan'andro. Noho izany, nanokana fotoana nitety birao mba hitondra teny fankaherezana ny Sekretera Jeneraly sy ny Tale ny Kabinetra eo anivon'ny Ministera. Nanolotra ihany koa vatsi-tsakafo kely ho an'ireo mifandimby miasa ho endriky ny fiaraha-miatrika ny zava-misy ka atody fanomezana avy amin'ny orinasa tsara sitrapo, toy ny amin'ny Ministera hafa no natolotra tamin'izany. Anisan'ireo efa notsidihina tamin'izany ny biraon'ny fandoavana sy fandraisana vola eto anivon'Antananarivo (PGA, RGA), biraon'ny fitantanam-bola (DGFAG). Ny talata lasa teo dia ny biraon'ny mpikarakara karaman'ny mpiasam-panjakana etsy Ambanidia no nanohizana izany fitsidihana izany. Hita taratra tamin'izany fa voahaja daholo ihany koa ireo fepetra ara-pahasalamana napetraky ny Fitondrana ialàna amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina. Mampita ny teny fankaherezana hatrany ny mpitarika eto anivon’ny Ministera. 
  | 
		













